FAMOKARAM-BARY ALAOTRA : Mila fanarena ireo fotodrafitrasan’ny sopitr’i Madagasikara
Potika vokatry ny fandalovan’ny rano be ny volana febroary lasa teo ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasan’ny fambolenana, faritra Alaotra Mangoro. Betsaka ireo tantsaha mpamboly ao amin’ny lemaka PC 23 izay ahitana velaran-tany 10 000ha nitaraina maty vary avokoa tamin’ity taom-pambolena 2019-2020 ity. Misy ny tetik’asa goavana natolotry ny governemanta Japonais antsoina hoe « Projet DON » manajary io lemaka midadasika io saingy heverina ho lasa asa very maina tahaka ny rano hatondraka andamosim-borona raha tsy voaharina ny simba sy voakojakoja ireo efa tena antitra tsy nisy fanamboarana intsony. Efa manao ny ezaka izay vitany ny federasionin’ny tantsaha mivondrona ao anaty ny antsoina hoe : “ Komity Vonjy” mba ahafahana manao ny asa vonjimaika saingy tsy maharakamanoloana ny haleben’ny fahavoazana.
Avo efatra heny ny fandaniana
Araka ny fanazavan’ny filohan’io Komity Vonjy io, Robison Rakotonanahary, isan’ny nanahirana ny tantsaha ny fahasimbana digy iray tao amin’ny « Collecteur Nord » ao anaty ny fitantanan’ny federasiona Mangarahara : « Na misy aza izany fikarakarana ny fotodrafitrasa aty amin’ny PC 23 izany,raha izao fahavakisana digy izao no mitohy,tsy misy raha manjary avy ireo zavatra hapetraky ry zareo Projet DON ireo. Koa miantso ny Fanjakana izahay mba tsy hiraviravy tanana hiara hiasa aminay federasiona satria izahay dia manezaka araka izay tratry ny herinay manatanteraka ny asa fikojakojana ».
Isany voa mafy tamin’ io fefiloha vaky io ny tanim-barin’ny mpamboly iray, Franck Martial Randriamavita. Mahatratra 45ha no velaran-tanim-bariny , mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny mpampiasa rano na FMR Kiady. Manodidina ny roa hetsy ariary miampy vary 8 vata izay sahabo kg ny fandaniana mahazatra hatramin’ny fanontana ny vary isan- taona. Niakatra avo efatra heny nefa ny vola laniny tamin’ity taona ity,tsy vitan’izay fa maty tsy nisy azo noraisina ny 7ha. Marihina fa nisy tamin’ireo tanimbary izay tsara toerana tena tsara ny vokatra.Ahitana 4 taonina isaky ny hektara eo ho eo amin’ny ankapobeny.Izay matin’ny rano moa,efa nahitana fanafany intsony. Miandrandra famonjena avy amin’ny Fanjakana ny tantsaha mpamokatra any Alaotra raha tiana ny hahatratra ny tanjona fahaleovan-tenan’ny Malagasy ara-bary, araka ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika.
Fy Randria
Sary : Vary hakarina avy ao anaty rano