Madatopinfo

 Flash Info

SAFE 2023 ANDIANY VOALOHANY : Nifamotoana teny Ivandry ireo vehivavy mpandraharaha avy amin’ny lafivalon’ny Nosy

SAFE 2023 ANDIANY VOALOHANY : Nifamotoana teny Ivandry ireo vehivavy mpandraharaha avy amin’ny lafivalon’ny Nosy

SAFE 2023 ANDIANY VOALOHANY : Nifamotoana teny Ivandry ireo vehivavy mpandraharaha  avy amin’ny lafivalon’ny Nosy
mars 20
06:11 2023

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana. Efa mihamaro ny vehivavy malagasy no miditra amin’io sehatra io ankehitriny, tsikaritra izany nandritra ny « Salon des femmes entrepreneurs » na SAFE 2023 izay nokarakarain’ny Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar (GFEM), tarihan’ny Filohany Fanja Razakaboana, sy ny Vehivavy mpandraharaha eto Antananarivo (FEA) ary tohanan’ny notohanan’ny Tetikasa PIC sy ny Groupe Axian ary ny Groupe CFAO. Ny zoma 17 martsa lasa teo no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika ity teny amin’ny Novotel Ivandry, mbola hitohy ny sabotsy 18 ary 19 martsa izany. Teo ambany fiahian’ny Ministry ny Toekarena sy ny Vola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, Ministry ny fampiroboroboana ny Indostria, sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ny SAFE 2023. Ity hetsika andiany voalohany ity dia hanomezana lanja sy sehatra ho an’ireo vehivavy mpandraharaha ary koa hitadiavana tan-tsoroka ara-bola sy ara-teknika ho azy ireo. Niompana tamin’ny fanamby mifanaraka amin’ny vaninandro iainan’ny vehivavy mpandraharaha ny SAFE 2023. Isan’ny mitondra fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena mantsy ny orinasa sahanin’izy ireo. Nahitana mpandray anjara sy trano eva manodidina ny 50 isa nandritra ireo telo andro ireo ary nandraisan’ireo vehivavy mpandraharaha avy any amin’ny faritra hany koa. Ankoatra izay, nisy ihany koa valan-dresaka, fifanakalozana, atrikasa nifandimby nandrosoana ireo vahaolana ho enti-manatsara ny sehatry ny fandraharahana. Nifanindrandalana tamin’ny fikaonan-doha fatao isan-taona rahateo koa ny « Woman in business » hanamafisana ny fanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny vehivavy malagasy sy ny lanjany ara-toekarena entiny. Azon’ny rehetra natrehana ny « Salon des femmes entrepreneurs » ary tsy nisy ny vidim-pidirana. Isan’ireo « sponsor gold » tamin’ity hetsika andiany vioalohany izay notanterahana teto Antananarivo ity ny Telma Madagascar.

Mickah R.

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031