Madatopinfo

 Flash Info

MPINO SILAMO ETO MADAGASIKARA: Nivavaka manokana ho an’ny firenena nandritra ny Eid Al-Adha

MPINO SILAMO ETO MADAGASIKARA: Nivavaka manokana ho an’ny firenena nandritra ny Eid Al-Adha

MPINO SILAMO ETO MADAGASIKARA: Nivavaka manokana ho an’ny firenena nandritra ny Eid Al-Adha
juin 17
09:31 2024

Araka ny Didim-panjakana navoakan’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana ny 11 Jona 2024, izay manambara fa andro tsy hiasa nefa andraisan-karama manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny datin’ny alahady 16 Jona ho fankalazana ny « Eid Al-Adha », fotoan-dehibe ho an’ny mpino silamo maneran-tany. Samy nanana ny fomba nankalazana izany ny mpino silamo, isan’izany ny tetsy amin’ny Mosquée 67 Ha izay tarihan’ny Filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy, Absouary Saïd Arsène. Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina io fankalazana lehibe io tao an-toerana izay niarahan’ireo mpino niombom-bavaka. Nanamarika io fotoan-dehibe io ny fanomezan-danja ny vavaka ho an’ny firenena. «  Manakaiky ny fanamarihana ny fetim-pirenena isika izao, koa izany indrindra no nanokanana fotoana hivavahana ho an’ity firenena ity mba hanjakan’ny filaminana, fandriampahalemana ary ihany koa ho afaka amin’ny fahantrana« , hoy ny Filohan’ny FSM, Absouary Saïd Arsène nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety. Tsiahivina moa fa ny Eid Al-Adha no fety faharoa hankalazan’ny mpino silamo izay hahatsiarovana sy hankalazana ny sorona na fandatsahan-drà nataon’ny lehiben’ny mpaminany rehetra ka i Abraham izany, sorona izay nodidian’ny Tompo hatao amin’ny zanany. Nosoloina ondry na osy nefa izany rehefa hitan’ny Tompo fa vonona ny hanatanteraka izany i Abraham.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031