Madatopinfo

 Flash Info

VALANJAVABOAHARY MAKIRA SY MASOALA: Hisitraka famatsiam-bola mandritra ny 30 taona

VALANJAVABOAHARY MAKIRA SY MASOALA: Hisitraka famatsiam-bola mandritra ny 30 taona

VALANJAVABOAHARY MAKIRA SY MASOALA: Hisitraka famatsiam-bola mandritra ny 30 taona
juillet 02
07:31 2024

Notanterahina teny Anosy ny alatsinainy 1 Jolay ny fandaharanasa antsoina hoe: « Landscape Fund Makira – Masoala » na LLF izay hanamafisana ny fiarovana ny valanjavaboahary Makira sy Masoala. Isan’ireo faritra arovana mampiavaka an’i Madagasikara mantsy izy ireo ary ahitana zavaboahary tsy fahita. Raha ny nambaran’ny Ministry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine izay nanokatra ofisialy izany fa famatsiam-bola maharitra no atokana ho an’ity tetikasa LLF ity. « Haharitra 30 taona io famatsiam-bola avy amin’ny KFW sy AFD ho an’ny faritra arovana Makira sy Masoala. Iray tapitrisa dolara isan-taona kosa mandritra ny 30 taona », hoy hatrany ny Ministra. Nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ireo valanjavaboahary ireo ny tenany, ny WCS (Wildlife Conservation Society Madagagascar) sy MNP na Madagascar National Parks izay mitantana ny Makira sy Masoala. Nohamafisiny fa isan’ireo andrasana amin’ity tetikasa ity ny fanaraha-maso, ny hetsika iarahana amin’ny Vondron’olona ifotony (VOI), ny lafiny ara-pitaovana manaraka ny tenkolojia tahaka ny drones hamaritana ny eo amin’ny lafiny fivelarany sy ny hafa. Nanatrika ity lanonam-panombohana ny tetikasa « Landscape Fund Makira – Masoala » ity ihany koa ny Governoran’ny Faritra SAVA sy Analanjirofo, ny WCS Regional Director East Africa, Luthando Dziba. Nampirantiana an-tsary nandritra io fotoana io ihany koa ireo biby, zava-maniry, toerana mampiavaka an’i Makira sy Masoala.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031