Madatopinfo

 Flash Info

FANDAHARANASA HOLI’DEV: Mpianatry ny EPP 500 no hovoakasiky ny tetikasa amin’ity taona ity

FANDAHARANASA HOLI’DEV: Mpianatry ny EPP 500 no hovoakasiky ny tetikasa amin’ity taona ity

FANDAHARANASA HOLI’DEV: Mpianatry ny EPP 500 no hovoakasiky ny tetikasa amin’ity taona ity
juillet 11
08:08 2024

Ho fampiroboroboana ny tontolo nomerika indrindra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra, miara-miasa ny orinasa Telma Madagascar sy ny Maison du numérique ary ny Coder Dojo amin’ny alalan’ny fandaharanasa antsoina hoe: « Holi’dev ». Raha ny nampahafantarina, omaly, teny Ambatonakanga dia miompana amin’ny fikirakirana solosaina sy coding ity fiofanana ity izay hositrahan’ireo mpianatry ny EPP.  » Amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao,dia hisy fiofanana maimaim-poana ho an’ireo ankizy sahirana. Nosafidiana manokana ny mpianatry ny EPP 67Ha atsimo amin’izao fanombohan’ny Holi’dev izao », hoy i Riantsoa Rabefitia avy amin’ny Telma. Isan’ny tanjona amin’izany ny hitarihana ny ankizy malagasy mankany amin’ny tontolo nomerika mba hitovy avokoa ny fari-pahazain’izy ireo rehefa tonga any amin’ny ambaratonga ambony. Ny Coder Dojo no hiandraikitra ny fampitàna ny fampianarana ho an’ireo ankizy kilasy fahatelo sy fahaefatra ao amin’ny EPP mpisitraka ny Holi’dev mandritra ny volana Jolay sy Aogositra. Ireo mpianatra afaka fanadinana CEPE 2024 kosa dia nomena fankasitrahana manokana handray anjara amin’ity fandaharanasa vaovao ity. Ny Maison du numérique Ambatonakanga kosa no hampiantrano ny fiofanana. Tsiahivina fa volana vitsy taorian’ny namolavolana ny tetikasa E-jery ny Holi’dev. Raha ny fantatra, vina ho amin’ity taona 2024 ity ny hahatrarana ankizy miisa 500 ho voakasiky ny tetikasa raha 2.000 izany amin’ny 2025.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031