Madatopinfo

 Flash Info

FOIRE & FESTIVAL ANALAMANGA: Hotanterahana ny 20 sy 21 ary 22 Septambra ho avy izao ny andiany faharoa

FOIRE & FESTIVAL ANALAMANGA: Hotanterahana ny 20 sy 21 ary 22 Septambra ho avy izao ny andiany faharoa

FOIRE & FESTIVAL ANALAMANGA: Hotanterahana ny 20 sy 21 ary 22 Septambra ho avy izao ny andiany faharoa
septembre 13
14:40 2024

 » Analamanga tsy maintsy mandroso « , no lohahevitra mandritra ny fanamarihana ny hetsika lehibe antsoina hoe: « Foire & festival Région Analamanga« . Andiany faharoa no hotanterahana amin’ity taona ity ka ny 20, 21, ary 22 Septambra hoavy izao izany araka ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Ny Telma Madagascar rahateo no mpanohana ofisialy ity hetsika goavana ity. Eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanatontosana izany. Ankoatra ny tranoheva maherin’ny 100 izay handray anjara hampiranty ny vokatra rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga, hisy ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina isan-karazany hanehoana ny mampiavaka ny Distrika 13 mandrafitra ny Faritra. Hiompana amin’ny fambolena sy fiompiana, ny jono sy ny asa tanana mampiavaka an’Analamanga ny foara. Handray anjara amin’izany ireo mpandraharaha madinika, salantsalany ary vaventy raha ny fanampim-baovao. Araka ny fandaharam-potoana, ny zoma maraina no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika ary arahana podium ny tolakandro. Isan’ny hampiavaka ny Foire & festival Région Analamanga amin’ity andiany faharoa ihany koa ny carnaval lehibe hiainga eo Analakely, hamakivaky ny manodidina ary hifarana eo amn’ny Kianja Barea ny sabotsy 21 Septambra. Hofaranana amin’ny afomanga kosa izany ny alahady. Nambaran’ny mpikarakara hatrany fa mamaim-poana avokoa ny fisitrahana ireo hetsika ireo na ny fampisehoana na ny diabe sy ny fanentanana isan-karazany.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30