Madatopinfo

 Flash Info

ANTSON’NY TONTOLO MIAINA: Hotanterahana ny 28 Septambra ka hatramin’ny 17 Oktobra ny andiany faharoa

ANTSON’NY TONTOLO MIAINA: Hotanterahana ny 28 Septambra ka hatramin’ny 17 Oktobra ny andiany faharoa

ANTSON’NY TONTOLO MIAINA: Hotanterahana ny 28 Septambra ka hatramin’ny 17 Oktobra ny andiany faharoa
septembre 19
07:12 2024

Raha ny volana Mey sy Jona 2023 ny andiany voalohany tamin’ny hetsika fampirantiana Antson’ny tontolo miaina izay nandraisana mpanakanto 8 anjara ary nahasarika mpitsidika maro, na mpianatra na tanora na ihany koa ny fikambanana samy hafa. Ny 28 Septambra ka hatramin’ny 17 Oktobra ho avy izao kosa no hanatontosana ny tetikasa fampirantiana Antson’ny tontolo miaina andiany faharoa eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano izay nampitondraina ny lohahevitra hoe: « Ravorona » araka ny nampahafantarina nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny alarobia 18 Septambra teo. Hanasongadina ny hakanton’ny karazam-borona eto Madagasikara ity hetsika ity iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana. 13 mianadahy kosa ireo artista malagasy sy vahiny handray anjara, mpahay taokanto vita avy amin’ny plastika, poeta, mpanoratra, mpaka sary, mpamokatra horonantsary, mpikaroka. « Tanjona ny hampifandray ny zavakanto sy ny tontolo iainana », hoy ny tompon’andraikitra, Ihoby Rabarijohn. Amalia Ramanankirahina, Fanjar, Xa Fisher, Verena Konrad, Johary Ravaloson, Olivia Ny Andry Bourgois , Fifaliana Nantenaina, Saîda Augustine, Iandry Randriamandroso, Kiady Ratovoson, Na Hassi, Andry Marcel ary Masami moa ireo hampiranty sy hampahafantatra ny sangan’asany amin’ny Ravorona. Ankoatra ny hetsika fampirantiana, hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra amin’ity Antson’ny tontolo miaina andiany faharoa ity.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30