Madatopinfo

 Flash Info

FIFANINANA ROBOTIKA TANY ATHÈNES: Nandrombaka ny medaly volamena ny Team Madagascar

FIFANINANA ROBOTIKA TANY ATHÈNES: Nandrombaka ny medaly volamena ny Team Madagascar

FIFANINANA ROBOTIKA TANY ATHÈNES: Nandrombaka ny medaly volamena ny Team Madagascar
octobre 03
05:20 2024

Firenena maherin’ny 190 no nandray anjara tany Athènes, Grèce ny 26 ka hatramin’ny 29 Septambra lasa teo tamin’ilay fifaninanana « First Global Challenge 2024 », tafiditra tao anatin’izany i Madagasikara izay nisolon’ny ekipa Team Madagascar tena. Nandritra ny fifanintsanana no efa hita taratra ny fahaizan’ity vondrona ity ary nahazoany ny medaly volamena, laharana voalohany tamin’io fifaninanana. Tsiahivina fa i Sahaza, Grace, Maria, Ainafinaritra ary Emrick no nandrafitra ny Team Madagascar ary nandrato fiofanana tao amin’ny STEM4Good izy ireo. Samy mbola mpianatry ny lisea avokoa izy 5 mianadahy tafakatra tamin’ity sehatra avo lenta maneran-tany ity. Ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo izay nitondra ny anaram-boninahitr’i Madagasikara tany ivelany, nanolotra loka manokana ho azy ireo ny Telma Madagascar omaly tolakandro teny Andraharo. Samy nahazo finday raitra, casquette sy t-shirt avy izy 5 ireo ary nahazo chèque mitentina 1.000.000 ariary avy amin’ny Telma. Tafiditra tanteraka anatin’ny fampiroboroboana ny tontolo nomerika izao fandresena azon’ireto ekipa ireto raha ny fanampim-panazavana avy amin’ny tompin’andraikitra.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031