Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA: Niavaka ny fanamarihana ny « Andro iray tsy misy fandotoana »

MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA: Niavaka ny fanamarihana ny « Andro iray tsy misy fandotoana »

MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA: Niavaka ny fanamarihana ny « Andro iray tsy misy fandotoana »
octobre 07
08:00 2024

22 isan-jato mahatonga ny fahafatesana’ny olona dia vokatry ny loto avokoa raha ny tarehimarika navoakan’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny fahasalamana na OMS. Maro mantsy ny vokadratsy ateraky ny fahalotoana na rivotra na rano na ihany koa tany indrindra ho an’ny olona marefo sy ny zaza toa ny aretin’ny taovam-pisefoana. Ny 6 Oktobra no andro iray natokana tsy misy fandotoana, ho an’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy tarihan’ny Ministra Max Fontaine Andonirina dia niavaka ny fanamarihana izay notanterahana teto Antananarivo niarahana tamin’ny solontenan’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ny Solombavambahoaka Filohan’ny Kaomisiona misahana ny tontolo iainana ao amin’ny Antenimierampirenena, mpiasan’ny Ministera, fikambanana isan-karazany sy olon-tsotra. Diabe ho an’ny tontolo iainana niainga manoloana ny Kianja Barea Mahamasina, namakivaky manodidina ny Antanimbarinandriana, Amparibe sy Ambohidahy ny hetsika. Isan’ny nisongadina tamin’io andro iray tsy misy fandotoana io ny fampisehoana ny fiara, kodiaran-droa mandeha amin’ny amin’ny herinaratra. << Manana paikady maharitra ny fitondram-panjakana ny amin’ny ady amin’ny fahalotoana, efa tafiditra anaty politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ihany koa izany. Ankoatra izay, manomboka resy lahatra ihany koa ny mponina an-tanan-dehibe amin’izao fotoana izao ny amin’ny fanjifana ireny fitaovam-pitaterana elektrika ireny >>, hoy ny Ministra Max Fontaine Andonirina.
Ankoatra izay, hanamafisana io ady amin’ny fahalotoana eto Madagasikara io, dia nanatanteraka fifanaovan-tsonia miisa 5 ny MEDD sy ireo mpiara-miombon’antoka: ny MEDD sy ny Ministera delege misahana ny Zandarmariam-pirenena, ny MEDD sy ny Kajy University, ny MEDD sy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny MEDD sy ny Centre National de Recherches Industrielle et Technologique ary ny MEDD sy ny VMoto Madagascar.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031