Madatopinfo

 Flash Info

FIAROVANA NY ALA HONKO: Hiara-misalahy ny MEDD sy ny IMC ary ny MCF avy any Chine

FIAROVANA NY ALA HONKO: Hiara-misalahy ny MEDD sy ny IMC ary ny MCF avy any Chine

FIAROVANA NY ALA HONKO: Hiara-misalahy ny MEDD sy ny IMC ary ny MCF avy any Chine
octobre 14
18:47 2024

Ho fanamafisana sy fampiroboroboana ny fiarovana sy fampiasana maharitra ny ala honko, dia nomarihana tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy sy ny IMC (International Mangrove Center) ary ny MCF (Mangrove Conservation Foundation) avy any Chine ny fiaraha-mientan’ny telo tonta.
Mariky ny fanatanterahana ny fandraisam-pitenenan’i Filohan’ny Repoblika entim-bahoaka ny Chine nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena faha 14 (COP 14) ny Fifanarahana Ramsar tamin’ny taona 2022 dia natsangana any Shenzhen any Chine ny IMC. Notanterahana teny amin’ny Novotel Ivandry ity fifanaovan-tsonia ity sady ho fanamafisana ihany koa ny traikefa nasionaly amin’ny fiarovana ny ala honko.
<< Teknisianina malagasy 20 no handeha hampitombo fahalalana mikasika ny ala honko any Chine. Noho ity zavamaniry ity miaro ny mponina amin’ny loza voajanahary any morontsiraka toy ny rivodoza sy ny fiakaran’ny rano, dia mila arovana izy ireny. Misy toerana mantsy efa ahiana ho ripaka ny ala honko ao aminy ka anton’izao fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka any Chine ny hanarina izany >>, raha ny nambaran’ny Ministry ny Tontolo iainana, Max Fontaine Andonirina.
Ankoatra izay, tontosa ihany koa ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy sy ny MCF (Mangrove Conservation Foundation) avy any Chine. Voarakitra anatin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fiarovana sy fampiasana araka ny tokony ho izy ny ala honko sy ny faritra mando.
Nanatanteraka izany fifanaovan-tsonia izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosaoana Lovainjafy, Andriamatoa Max Fontaine Andonirina sy ny lehibe mpanorina ny MCF, Ramatoa Sun Lili, ary ny Tale jeneraly lefitry ny fitantanan-draharaha misahana ny fanajariana ny tanàna sy ny harena voajanahary ao Shenzhen, Andriamatoa Zhang Qian ary natrehan’ny Masoivohon’i Chine monina eto Madagasikara, SEM JI Ping.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031