Madatopinfo

 Flash Info

FIFIDIANANA KAOMINALY 2024: Namoaka ny tetiandro ny CENI

FIFIDIANANA KAOMINALY 2024: Namoaka ny tetiandro ny CENI

FIFIDIANANA KAOMINALY 2024: Namoaka ny tetiandro ny CENI
août 14
14:26 2024

Ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana Kaominaly 2024, nitafa tamin’ireo mpanao gazety ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) androany alarobia 14 aogositra 2024 tety amin’ny foiben-toerany ety Alarobia. Fametrahana fiarahamiasa maharitra eo amin’ny CENI sy ny mpanao gazety mikasika ny fampahafantarana ny olompirenena, ireo mpirotsaka hofidiana, ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana ny hanatanterahana ny fifidianana Kaominaly, ny fanentanana azy ireo handray anjara amin’izany fifidianana izany, ny hizarana vaovao tsara ho fantatra manodidina ny fifidianana Kaominaly no tena votoatin’ny fihaonana.
Voaresaka nandritra izany ireo teboka tsara tadidiana, ny datin’ny ametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana dia ny 05 septambra hatramin’ny 19 septambra 2024 raha 12 oktobra kosa farafahatarany no daty amoahana ny lisitra sy toerana misy ireo birao fandatsaham-bato. Hanomboka ny 19 novambra 2024 ka hatramin’ny 09 desambra 2024 kosa no vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ary ny andron’ny fifidianana dia hotanterahana ny 11 desambra. Ny andro vinavinain’ny CENI ahavitana ny vokatra vonjimaika manerana ireo faritany rehetra ny faha-24 desambra raha tara indrindra. Notsindrian’ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène fa : « Ny datin’ny faha 11 desambra izay natolotry ny CENI hanatanterahana ny fifidianana Kaominaly dia mifanaraka amin’ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara ary efa nangatahana ny hevitr’ireo ambaratongam-pitsarana mahefa ». Ny “avis” izay navoakan’ny Filan-kevi-panjakana ny 30 jolay 2024 dia manamafy izay efa navoakan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana ny 25 janoary 2024 (l’avis n°01-hcc/av). Taorian’izay, naka didim-panjakana mikasika ny fifidianana Kaominaly ny Governemanta.
Hiroso avy hatrany amin’ny fanofanana an-tanan-tohatra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny rantsana mpandray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ny CENI amin’ny
herinandro ho avy izao. Hisy ihany koa ny sehatra izaram-baovao amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana hatao ny 28 aogositra 2024 eto Antananarivo ary eny anivon’ny Faritany ny 30 aogositra 2024.
Toy ny natao tamin’ireo fifidianana teo aloha, hatonta any ivelany ny Bileta tokana ary ny lisitry ny mpifidy nofaranana tanteraka ny 15 mey 2024 no hampiasaina amin’ny fifidianana Kaominaly.

Mickah R.

Articles similaires

novembre 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930