Madatopinfo

 Flash Info

FMFP: Mpiasa maherin’ny 140.000 no nisitraka fiofanana nandritra ny 5 taona

FMFP: Mpiasa maherin’ny 140.000 no nisitraka fiofanana nandritra ny 5 taona

FMFP: Mpiasa maherin’ny 140.000 no nisitraka fiofanana nandritra ny 5 taona
novembre 25
10:30 2024

Anjara biriky goavana entin’ny FMFP na Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho an’ny fampiofanana arak’asa ho fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny olona indrindra eny anivon’ny orinasa ny hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara. Mitentina 56 miliara ariary no navoaka ho an’ny fampiofanana nandritra izay 5 taona nijoroany izay ary nahatratra 140.000 tamin’ireo orinasa manodidina ny 31.000 kosa ireo efa nisitraka ny fiofanana tamin’izany. Nentina namaranana ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny FMFP, nisy ny dinika an-databatra boribory sy ny jery todika ny asa vita ary ny enti-manatsara ny hoavy. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa ny teo anvon’ny FMFP sy ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny alakamisy 21 Novambra lasa teo teny amin’ny Novotel Ivandry. <<Nahomby ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hatramin’izay ary ampiakarina hatrany ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpianatra. Ny mpampiofana eo anivon’ny Ministera hany koa dia hisitraka izany fiofanana izany. Ankoatra izay, ny tohana hametrahana sy hampiharana ny fanofanana mifandimby na formation en alternance>>, hoy ny Ministra METFP, Marie Marcelline Rasoloarisoa.
Miara-mientana araka izany ny Tahirim-bola Malagasy ho an’ny Fampiofanana sy ny Ministera hanatsarana ny kalitaon’ny asa eto Madagasikara. Nanamafy izany ny Tale Jeneraly eo anivon’ny FMFP, Pierre Raoelina Andriambolona fa: <<Ankoatra ny fiofanana arak’asa, nibahan-toerana ihany koa ny fanovana toe-tsaina teo amin’ny orinasa. Fanamby ho an’ny 5 taona ho avy ny hampitombo ny orinasa sy mpiasa hisitraka fiofanana>>. Ho fanamarihana ny faha-5 taonan’ny FMFP io ihany koa, dia notolorana amboara ireo orinasa mendrika sy navitrika indrindra tamin’ny fandraisana anjara.
Tsiahivina fa nitsangana tamin’ny taona 2019 ny FMFP ary isan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola taminy ny AFD (Agence Française de Développement) sy ny Vondrona Eoropeanina.

M.R

Articles similaires

novembre 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930