Madatopinfo

 Flash Info

TONTOLON’NY FANATANJAHANTENA: Niavaka ny fanamarihana andro iraisampirenena teny Mahamasina

TONTOLON’NY FANATANJAHANTENA: Niavaka ny fanamarihana andro iraisampirenena teny Mahamasina

TONTOLON’NY FANATANJAHANTENA: Niavaka ny fanamarihana andro iraisampirenena teny Mahamasina
juillet 15
07:30 2024

« Ny fanatanjahantena ho fampiroboroboana ny fiaraha-monina milamina sy mandray andraikitra« , io no lohahevitra nandritra ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena izay notanterahana teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny sabotsy 13 Jolay lasa teo. Isan’ireo nanohana izany ny orinasa Telma Madagascar. Hetsika maro kosa no nentina nanamarihana io fotoana io toy ny fampisehoana ara-panatanjahantena, ny hazakazaka manodidina ny kianja Barea, ny lalao ara-pirahalahiana, zumba ary ihany koa ny fampahafantarana ireo mpikatroka handray anjara amin’ny lalao olympiques izay hatao any Frantsa afaka andro vitsivitsy. Isan’ny nanamarika ity fankalazana ity ihany koa ny fandraisan’ireo olona manana fahasembanana anjara. Nambaran’ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mpisolo toerana, Valéry Ramonjavelo nandritra ny lahateniny fa tsy fitezam-batana ihany akory ny fanaovana fanatanjahantena fa ihany koa isan’ny kolo ho an’ny fahasalamana, saina ary fanahy. « Na misy aza ny tsy fitoviam-pijery indraindray eo amin’ny samy firenena dia ny lalao ara-panatanjahantena no mampifandray azy« , hoy ny Ministra. Nanatrika io fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena io ny Lehiben’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny fahasalamana (OMS), Dr Laurent Musango, ny Ministra delege misahana ny zandarmaria, Andry Rakotondrazaka, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany fahaefatra, Désiré Rafidimanana.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30