Madatopinfo

 Flash Info

ANTOKO GFFM : Vonona hatrany amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena

ANTOKO GFFM : Vonona hatrany amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena

ANTOKO GFFM : Vonona hatrany amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena
août 28
07:35 2023

Marary, noana, mahantra ny vahoaka malagasy, manginy fotsiny ny tsy fahandriampahalemana sy ny kolikoly. Noho ny fahatsapana ireo olana mianjady eto Madagasikara dia nanambara ny Antoko politika GFFM na Gideona Fandresena fahantrana eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Filohany Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné fa vonona hatrany ny amin’izay fandraisana andraikitra rehetra eto amin’ny firenena. Nivoitra izany taorian’ny kongresy nasionalin’ny Antoko politika GFFM izay notanterahana teny amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy ny alahady 27 Aogositra izay nandraisan’ireo mpizaika manerana ny Nosy sy ny solontena avy any ivelany anjara. Raha manodidina ny 1.500.000 no mpizaika tonga tamin’ny taona 2018, mihoatra lavitra noho io kosa tamin’ity taona ity. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireo mpizaika solontenam-paritra, nangataka ny hilatsahan’ny Filoha nasionalin’ny antoko politika GFFM ho fidiana Filoham-pirenena ny 9 Novambra hoavy izao izy ireo mba hanarina ny firenena sy hitondra fanovana lehibe eo amin’ny fitantanana. « Voaray ny fangatahan’izy ireo amin’ny handraisako andraikitra amin’ny fitantanana ny firenena saingy tsy kilalaon-jaza izany, mila fandinihana sy fieritreretana lalina », hoy i Pasteur André Mailhol nandritra ny tafa nataony manoloana ny mpanao gazety. Nangataka fandinihana ao anatin’ny fotoana fohy ny tenany mandrapahatongan’ ny 6 Septambre hikatonan’ny fametrahana ny atontan-taratasy firotsahan-kofidiana Filoham-pirenena eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. « Rehefa sitrapon’Andriamanitra dia eny amin’ny HCC no hamaliako ny hetahetampon’ny mpizaika GFFM. Raha tapitra kosa io fe-potoana io ka tsy hametraka ny atontan-taratasy eny ny tenako dia midika izany fa misy antony goavana sy miankina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena », hoy hatrany ny fanazavan’ny Filohan’antoko politika ity. Hirarian’ny GFFM ny hisian’ny fifidianana madio, marina, mangarahara, eken’ny rehetra, ary tsy hisy antsojay hatao amin’ny kandida. Eo ihany koa ny fahalalahan’ny fikarakarana ny fangatahan-dalana amin’ny fanomanana ny atontan-taratasy rehetra indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. Ankoatra izay, namaky bantsilana ihany koa ny Filohan’ny GFFM fa eo amin’ny lafiny ara-bola arotsaka mitentina 1 miliara ariary no isan’ny mampihemotra ireo olompirenena manan-kevitra sy vinan’asa mahomby hoentina hampandrosoana ny firenena. Na izany aza nohamafisin’ny Pasteur Mailhol fa na hisy fifidianana na tsia dia vonona hatrany ny antoko izay tarihany. Hanaiky izay ho voka-pifidianana ofisialy hivoaka ny tenany na iza na iza no ho lany amin’ny maha olon’ny filaminana sy fitoniana azy. Tsiahivina moa fa tsara toerana ny antoko GFFM tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana voalohany ny taona 2018, raha nitana ny laharana 3 voalohany mantsy ireo kandidana an’antoko efa filoham-pirenana nifandimby (TGV, HVM ary TIM), ny kandida Pasteur Mailhol izay natolotry ny antoko GFFM kosa no nahazo ny laharana faha efatra tamin’izany.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30