Madatopinfo

 Flash Info

BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA: Manodidina ny 8 taonina ny tahirim-bolamena, iray taonina no eto an-toerana

BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA: Manodidina ny 8 taonina ny tahirim-bolamena, iray taonina no eto an-toerana

BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA: Manodidina ny 8 taonina ny tahirim-bolamena, iray taonina no eto an-toerana
novembre 05
08:35 2024

Hahafahana manamari-toerana ny ariary, apetraka any amin’ny banky any ivelany ny volamena manana kalitao Or monétaire raha ny fanazavana teo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara androany teny Antaninarenina nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety. Varotana eo amin’ny tsena iraisampirenena ireo volamena ireo, rehefa lafo izany ary ny dolara azo amin’io no amidy eo anivon’ny Marché Interbancaire de devise na MID hoy ny Governora BFM, Aivo Handriatiana Andrianarivelo.
Raha ny tatitra teo anivon’ny Banky Foibe, manodidina ny 4% ny tahan’ny tahiry, izany hoe 8 taonina eo ho eo. Volamena izay manaraka sy mahafeno ny fenitra sy fepetra takian’ny LBMA na London Bullion Market Association.
Ny 1 taonina amin’ny vola volamena no eo anivon’ny BFM eto an-toerana, ny ambiny kosa any amin’ny banky any ivelany. 74 tapitrisa dolara eo ho eo no vidin’ny 1 taonina amin’ny volamena, hoy ny teo anivon’ny BFM. « Raha misy fiovaovan’ny sandan’ny volamena any ivelany dia tsy hisy fiantraikany amin’ny tahiry eto an-toerana akory izany« , araka ny fanazavana hatrany.
Isan’ny teboka noresahan’ny BFM ihany koa ny mikasika ny vola miendrika 50 ariary volamena izay milanja 31,104 grama fa efa maro no nanjifa ny 50 ariary volamena.
Ankoatra io, manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana eto an-toerana amin’izao fotoana izao dia nanambara mikasika ny vidin’entana ny BFM, raha ny tatitra voaray dia mbola mihalafo izany eny an-tsena.  »

  • Miankina amin’ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny ahafahana mampiakatra ny fihodin’ny toekarena amin’ny alalan’ny fanamorana sy fanafainganana ny tetikasa fampiasam-bola eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanafainganana ny fandoavana ny volan’ny orinasa manatanteraka ny asam-panjakana hahatonga azy ireo havitrika
  • « , hoy ny Governora, Aivo Handriatiana Andrianarivelo.

    Mickah R.

    Articles similaires

    novembre 2024
    L M M J V S D
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    252627282930