Madatopinfo

 Flash Info

CFME 2024: Hifamotoana eny amin’ny AFT Andavamamba ny orinasa, ny tanora sy ireo oniversite

CFME 2024: Hifamotoana eny amin’ny AFT Andavamamba ny orinasa, ny tanora sy ireo oniversite

CFME 2024: Hifamotoana eny amin’ny AFT Andavamamba ny orinasa, ny tanora sy ireo oniversite
août 02
10:31 2024

Isan’ny sakana ho an’ny tanora matetika ny fitadiavana asa aorian’ny fianarana noratovony sy mifanaraka amin’ny talentany. Manoloana izany indrindra no antom-pisian’ny « Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » na CFME isan-taona, izay hotanterahana ny 6 ka hatramin’ny 10 Aogositra hoavy izao eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny andiany faha-8. Manohana ity hetsika ity ny Telma Madagascar izay tsy vao izao no niara-niasa tamin’ny AFT. « Sehatra iray manampy ny tanora amin’ny fitrandrahana ny hoaviny ny CFME ary ihany koa hamaliana ny hetahetan’ireo orinasa mitady olona mifanaraka amin’ny asa ao aminy ka fotoana ireo hamondronana azy ireo », hoy ny PCA eo anivon’ny AFT Andavamamba, Herinjato Samuelson Ramamenosoa. Amin’ity andiany faha-8 ity, 8.000 ireo tanora mpitsidika vinavinaina hahazo tombontsoa. 40 mahery kosa ireo tranoheva handray anjara eny an-toerana, ahitana orinasa lehibe toa ny Telma Madagascar, Vatel, Viseo sy ireo sekoly ambony. Ho an’ny Telma manokana, efa maro ny tanora nahita tombontsoa tamin’ny alalan’ny CFME. Araka ny fandaharam-potoana, ny 6 sy 7 ary ny 8 Aogositra, hisy ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra arahana lohahevitra samy hafa. 2.000 ariary monja ny fandraisana anjara amin’ireo raha ny 9 sy 10 Aogositra kosa maimaim-poana mandritra ny « salon ». Hisy araka izany ny fandraisana C.V sy « entretien » mivantana eny an-toerana, ary ihany koa ny fifaninanana mamorona tetikasa sy fampiofanana mba ho matihanina ny tanora malagasy hiditra eo amin’ny sehatry ny asa.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30