Madatopinfo

 Flash Info

DADJU SY TAYC: Hanolotra seho miavaka eto Madagasikara

DADJU SY TAYC: Hanolotra seho miavaka eto Madagasikara

DADJU SY TAYC: Hanolotra seho miavaka eto Madagasikara
septembre 18
07:15 2024

Tsy zoviana amin’ny tanora malagasy intsony ny mpanakanto vahiny anankiroa, Dadju sy Tayc. Efa samy niaka-tsehatra teto Madagasikara avokoa izy roalahy ireo ary anisan’ny ankafizin’ny olona maro. Efa maro ny firenena notetezin’izy ireo, fa hiara-hiaka-tsehatra amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny 11 Oktôbra hoavy izao araka ny fampahafantarana tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety omaly omaly teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Hetsika izay karakarain’ny NAS production sy KP Event Madagascar ary tohanan’ny Telma Madagascar. Mbola tsy fahita teto an-toerana loatra izao seho goavana iarahana artista iraisampirenena miaraka izao. Raha ny fandaharam-potoana kosa, mandritra ny tapany voalohany no hanoloran’ireo izay nahazo tamin’ny fifaninanana « Héritage », avy eo ny artista Dadju sy Tayc mandritra ny ora iray sy sasany. Araka ny fanazavana voaray, efa azo jifaina ao amin’ny tranokala www.ticketplace.io ny tapakila. Ho an’ireo hanjifa mivantana kosa dia ahitana izany ao amin’ny Mass’in Ankorondrano sy Isoraka, biraon’ny Kintana profuctions Analakely, Dyve Anosivavaka, Kudeta Urban Club Carlton Anody. Manomboka amin’ny 60.000ar ny tapakila ho an’ny Fanzone, Bronze 80.000ar, Silver 250.000ar, Gold 350.000ar, VIP 450.000ar, VVIP 550.000ar ary 750.000ar ny Platinium.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30