Madatopinfo

 Flash Info

DISTRIKAN’ISANDRA: Hitondra ainga vao ny Solombavambahoaka Raoto Ralambozafy

DISTRIKAN’ISANDRA: Hitondra ainga vao ny Solombavambahoaka Raoto Ralambozafy

DISTRIKAN’ISANDRA: Hitondra ainga vao ny Solombavambahoaka Raoto Ralambozafy
juillet 10
03:28 2024

Manodidina ny 98% ao anatin’ny Distrikan’Isandra, Faritra Matsiatra Ambony dia tantsaha avokoa, mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Isan’ireo efa namatsy an’i Madagasikara tamin’ny famatsiana vary ity Distrika ity ary nanan-karena omby.Amin’ny maha Solombavambahoakan’Isandra an’i Raoto Ralambozafy izay lany tamin’ny Vondrona politika IRMAR tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka tamin’ny 29 Mey lasa teo, hamerina ny maha-izy azy ny Distrikan’Isandra ny tenany. Nambarany nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fotoam-panokafana ny fivoriana manokana teo anivon’ny Antenimierampirenena teny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza fa irak’ireo tantsaha ireo ny tenany, hanambara sy hitondra ny hetahetan’izy ireo.  » Mangataka ny fitondram-panjakana ny mikasika ny famatsiana herinaratra any Isandra, eo ihany koa ny lalana izay ifamezivezen’ny tantsaha amin’ny fitateram-bokatra« , hoy ny Solombavambahoaka Raoto Ralambozafy. Tsiahivina fa efa nanatanteraka asa sosialy ny Depiote Raoto tamin’ny alalan’ny fikambanana izay tarihany  » Groupe KIM » tamina toerana maro. Isan’izany ny fanomezana fiofanana momba ny fambolena ara-teknika, ny fananganana fotodrafitrasa, ny fanampiana an’ny mpitsara fanadinana CEPE. Nampiavaka an’i Solombavambahoaka Raoto teny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza nandritra ity fivoriana manokana ity moa ny fitafy mampiavaka ny Distrikan’Isandra sy ny Faritany Fianarantsoa ho mariky ny fitazomany sy ny fanajany ny kolontsaina any an-toerana.

Sary nindramina

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30