Madatopinfo

 Flash Info

FANAVAOZANA NY DIDIM-PANJAKANA MECIE: Notanterahina teny Anosy ny atrikasa fankatoavana eo amin’ny sehatra nasionaly

FANAVAOZANA NY DIDIM-PANJAKANA MECIE: Notanterahina teny Anosy ny atrikasa fankatoavana eo amin’ny sehatra nasionaly

FANAVAOZANA NY DIDIM-PANJAKANA MECIE: Notanterahina teny Anosy ny atrikasa fankatoavana eo amin’ny sehatra nasionaly
octobre 03
06:10 2024

Tamin’ny taona 1992 no nankatoavina ny Didim-panjakana momba ny Fampifaneranana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo iainana (FFTI) na ny MECIE (Mise En Comptabilité des Investissements avec l’Environnement), in’efatra nohavaozina izany hatramin’ny taona 2004. Tao anelanelan’ny taona 2004 ka hatramin’ny 2024, mbola tsy nisy ny fanavaozana raha ny nambaran’ny Ministry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Max Fontaine Andonirina nandritra ny fanokafana ny atrikasa fankatoavana eo amin’ny sehatra nasionaly izay notanterahina teny amin’ny Carlton Anosy, omaly. « Raha nifantoka kokoa tamin’ny lafiny ara-tontolo iainana io Didim-panjakana io teo aloha, dia hampidirina sy hohamafisina ao ihany koa ny ara-tsosialy satria misy fiantraikany amin’ny olombelona avokoa na ny fambolena, indostria na ny harena an-kibon’ny tany« , araka ny fanazavan’ny Ministra. Ankoatra izay, isan’ny maha-zava-dehibe ity fanavaozana ny décret MECIE ity ny fakan-kevitra izay notanterahina isam-paritra araka ny filàn’ny Faritra tsirairay, ny Firaisamonimpirenena, ny sehatra tsy miankina. Tsiahivina fa tamin’ity taona ity dia efa nisy dingana maro notanterahana talohan’izao atrikasa fankatoavana eo anivon’ny sehatra nasionaly izao ankoatra ny fankan-kevitra isan’ambaratongany, teo ihany koa ny atrikasa fankatoavana mialoha izay niarahana tamin’ny Komity tenknika, ny Ministera isan-tsokajiny sy ny Firaisamonimpirenana, ny vondron’ny sehatra tsy miankina. Miandry ny fankatoavana eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta kosa ny fampiharana ny Didim-panjakana MECIE nohavaozina.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031