Madatopinfo

 Flash Info

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA : Nanatanteraka fambolen-kazo teny Andranovelona ny fianakaviamben’ny Kaominina Talatamaty

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA : Nanatanteraka fambolen-kazo teny Andranovelona ny fianakaviamben’ny Kaominina Talatamaty

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA : Nanatanteraka fambolen-kazo teny Andranovelona ny fianakaviamben’ny Kaominina Talatamaty
février 12
05:48 2024

Raha efa nosantarina ny 26 Janoary lasa ny taom-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024 izay mitondra ny lohahevitra hoe : « Fambolen-kazo : manarina tontolo iainana, mamelon’aina », ny zoma 9 Febroary teo kosa no nanatanteraka ny anjara birikiny teny Andranovelona ny eo anivon’ny Kaominina ambanivohitra Talatamaty notarihan’ny Ben’ny Tanàna, Raharinoasy Elie Dominic. Ankoatra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpiasa ao amin’ny Kaominina ary ny solontena isam-pokontany, nandray anjara mavitrika nandritra izany ihany koa ireo fikambanana maro samy hafa ao an-toerana. Tamin’ity taona ity, miisa 150 izy ireo no niara-nisalahy tamin’ny fambolen-kazo.
« Zava-dehibe ho an’ny firenena ary indrindra ho an’ny taranaka ny fambolen-kazo ary mahatsiaro manana adidy ny Kaominina amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara », hoy ny Ben’ny Tanàna Talatamaty, Elie Dominic. Zanakazo Acacia miisa 1.000 fototra no novolena teny Andranovelona tamin’ity andiany ity. Tonga teny an-toerana ihany koa ny solontena avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Faritra Analamanga nanome toromarika amin’ny fomba fambolena ny zanakazo.
Tsy vao voalohany akory ny Kaominina Talatamaty no nanatanteraka izany fa efa andiany fahatelo izao nandritra ny fotoam-piasan’ny Ben’ny Tanàna Elie Dominic. Nohamafisiny fa tsy mijanona hatreo amin’ny fambolen-kazo ihany akory ny adidin’ny Kaominina, misy hatrany ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fidinana ifotony ho fikolokoloana ireo zanakazo voavoly. « Vonona ny hiara-hientana amin’ny tompon’andraikitra izahay amin’ny fanajana ireto hazo ireto satria tombotsoa iombonana ary samy hisitraka izany avokoa ny taranaka faramandimby », hoy ny ray amandreny solontenan’ny mponina tonga teny an-toerana nandritra ny tafa manokana taminy.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30