Madatopinfo

 Flash Info

FESTIVAL SOBAHYA ANY KATSEPY: Hafana ny andiany faha-18 miaraka amin’ny Telma Madagascar

FESTIVAL SOBAHYA ANY KATSEPY: Hafana ny andiany faha-18 miaraka amin’ny Telma Madagascar

FESTIVAL SOBAHYA ANY KATSEPY: Hafana ny andiany faha-18 miaraka amin’ny Telma Madagascar
août 03
09:20 2024

« Roboky hatia, ediky fahalainy », no lohahevitra nosafidiana mabdritra ny hetsika ara-kolontsaina goavana antsoina hoe: « Festival Sobahya ». Araka ny nampahafantarina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Telma Antaninarenina dia hotanterahina any Katsepy, Faritra Boeny ity hetsika ity ny 9 ka hatramin’ny 11 Aogositra hoavy izao. Raha tamin’ny taona 2003 no nanatontosana ny andiany voalohany, miditra amin’ny andiany faha-18 kosa izany amin’ity taona ity. « Amin’ny maha Faritra isan’ny be mpitsidika ny Boeny, manana tombony lehibe izy ny amin’ny fisian’ny Festival Sobahya isan-taona indrindra anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe. Manan-karena kolontsaina ihany koa i Boeny ary singa iray entina mampahafantata ny mpizahantany na avy eto an-toerana na avy any ivelany ny fitafy Sakalava, ny dihy sy ny hira ary ny fikarakarana ny tarehy », hoy ny Governoran’ny Faritra Boeny, Mokhtar Andriantomanga. Tamin’ity andiany faha-18 ity, hiavaka tanteraka izany miaraka amin’ny mpanohana matanjaka dia ny Telma Madagascar izany. Isan’ny mpanakanto hanafana ny lanonana mantsy i Jean Aimé, Marolahy ary ny artista malaza avy any ivelany toa ny Komo de Mayotte sy Choc Choc de Mayotte. Araka ny fantatra ihany koa, hisy ny tranoheva ahitana fampirantiana isan-karazany, lalao fifaninanana ahazoana loka maro, ny fitsidihana toerana miavaka sy manann-tantara. Tombony ho an’ny mpitsidika any Katsepy mandritra ny Festival Sobahya ny fisian’ny sambo mpitatitra maimaim-poana miampita mandroso sy miverina. Nohamafisin’ny Talem-paritry ny Fizahantany ao Boeny fa efa misy ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny tolotra manokana atolotry ny mpiara-miombon’antoka ho an’ireo mpitsidika. Manodidina ny 20.000 moa ny mpizahantany andrasana amin’ity Festival Sobahya ity.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30