Madatopinfo

 Flash Info

FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY MIRALENTA: Nanatanteraka atrikasa ireo mpisehatra isan-tsokajiny

FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY MIRALENTA: Nanatanteraka atrikasa ireo mpisehatra isan-tsokajiny

FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY MIRALENTA: Nanatanteraka atrikasa ireo mpisehatra isan-tsokajiny
mai 13
08:02 2022

Notontosaina teny amin’ny Ibis Ankorondrano ny alakamisy 12 Mey ny fivoriana fifampizarana sy fifanakalozana mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiharana ny miralenta. Nandray anjara mavitrika nandritra io atrikasa io ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny solontenan’ny Masoivoho miasa eto Madagasikara, ny fiarahamonim-pirenena, ireo mpisehatra miahy ara-tsosialy, teo ihany koa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Masy Goulamaly sy ireo fikambanana samy hafa ary natrehan’ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy, Ghisbert Rivomanana. Nivoitra tamin’ity atrikasa ity ny adihevitra sy soson-kevitra momba ny fampiharana ny miralenta nandritra ny asa sosialy izay notanterahan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy. Nitarika io atrikasa io ny Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy, Rova Rabetaliana izay nisolotena ny Ministry ny Mponina, Princia Soafilira. Tanjona araka izany ny hampihena ny tahan’ireo ankohonana miaina anaty fahantrana ary mba hisitran’izy ireo ny tetikasa mifandraika aminy amin’ny alalan’ny Fiahiana ara-tsosialy. Izao rahateo moa dia mbola tafiditra amin’ny fankalazana ny iray volan’ny Fiahiana ara-tsosialy an’ny Ministeran’ny Mponina.

Mickah R.

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031