FIAROVANA NY VOLA ANATIN’NY KAONTY: Mampitombo ny fahatokisan’ny mpanjifa ny banky
Raha ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana Jona 2018, 18 isan-jato ny tahan’ny fikirakirana ny banky tamin’ny faran’ny taona 2017. Amin’ireo banky 4 voasokajy ho lehibe eto Madagasikara, nahatratra 83% ny tahan’ny fampindramam-bola, raha 85% kosa ny mpanjifa nanatanteraka petra-bola. Ho fiarovana ny volan’ny mpanjifa ao anatin’ny kaontiny, misy ny fepetra arahana. Ho an’i Mamy Tantely Rasoarahona, miandraikitra ny fampandehanan-draharaha sy ny famatsiam-bola amina tolotra eo anivon’ny banky iray dia mandalo amin’ny fananamarinana ny atontan-kevitra rehetra aloha, avy eo mametraka ny fifanarahana momba ny fampindramam-bola, manatanteraka ny fifanaovan-tsonia ny roa tonta izany hoe ny banky sy ny manjifa hisitraka ny tolotra fampiasam-bola izay vao manatanteraka ny fampidirana ny vola anaty kaontin’ny mpanjifa.
Nitondra fanazavana mikasika ny fomba fisorohana mialoha kosa ny Tale misahana ny Fanarahan-dalàna sy ny fitantanana ny loza mety hitranga amina banky eto an-toerana, Naina Andriambelo,
« Mamantatra mialoha sy maminavina ny mety hitranga ara-teknolojia, toy ny karazana tsy fanarahan-dalàna rehetra ny fitsipika. Izany no natao dia ahafahana mandray fepetra avy hatrany hiarovana ny mpanjifa, ny mpiasa ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny banky ary ihany koa ho voaaro ny vola napetraky ny mpanjifa ao amin’ny banky« , araka ny fanazavany.
Na dia eo aza nefa ireo sampan-draharaha isan-tokony eo anivon’ny banky tsirairay, isan’ny anjara asan’ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF) na Vaomiera misahana ny banky sy ny ara-bola, ny fisorohana sy famehezana ny krizy. Mandray fepetra fisorohana ity Vaomiera ity, mamolavola ny fepetra momba ny vahaolana. Miantoka ny fandrisihan’ny olona hiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny mpanjifan’ny banky mantsy ny fiarovan’ny volan’izy ireo anaty kaonty.
M.R