Madatopinfo

 Flash Info

FIBRE’IN: Afaka misitraka internet 100Go amin’ny sarany 49.000 ariary ny mpanjifa

FIBRE’IN: Afaka misitraka internet 100Go amin’ny sarany 49.000 ariary ny mpanjifa

FIBRE’IN: Afaka misitraka internet 100Go amin’ny sarany 49.000 ariary ny mpanjifa
octobre 22
03:30 2024

10 taona izay no sisian’ny Fibre optique Telma teto Madagasikara ary mahatratra 12.000 kilaometatra ny halavirany. Tsy mitsahatra ny mikaroka sy manolotra vokatra vaovao hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany ny Telma hatramin’izay. Hanatsarana io tolotra io, dia namokatra ny « Fibre’in » indray ny Telma izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly teny amin’ny Campus Telma Andraharo izay notarihany ny Tale Jeneraly Patrick Pisal Hamida. Nambarany nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety fa natao niompana kokoa ho an’ny tokantrano malagasy ny tolotra Fibre’in satria ahafahana misitraka internet 100Go amin’ny sarany 49.000 ariary isam-bolana.  » Tolotra mora indrindra manerana ny Afrika ny Fibre’in, ny kalitao ihany koa tsy latsa-danja amin’izany noho ny hafangainam-pandehany mahatratra 200 Mbps isan-tsegondra », hoy ny Tale Jeneraly eo anivon’ny Telma. Hahazo tombony araka izany ny mpianatra noho ny Fibre’in ahafahana manao fikarohana isan-karazany amin’ny internet, ny fialamboly isan-karazany. Raha eo amin’ny fametahana sy ny kojakoja amin’izany kosa, dia nanambara ny Tale Jeneraly lefitra ara-teknika, Joël Andrinirina Randrianasolo fa haingana indrindra arakaraka ny toerana misy ny mpanjifa nojo izy haharakotra manerana an’i Madagasikara. Ho an’ireo mpanjifa maniry ny hisitra ny tolotra internet vaovaoben’ny Telma, dia azon’izy ireo hatao ny manantona avy hatrany ny Shop Telma akaiky azy maka ny andinindininy rehetra mikasika ny Fibre’in.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031