Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA MEG: Homarihana amin’ny hetsika isan-karazany ny andro maneran-tany ho an’ny dihy

FIKAMBANANA MEG: Homarihana amin’ny hetsika isan-karazany ny andro maneran-tany ho an’ny dihy

FIKAMBANANA MEG: Homarihana amin’ny hetsika isan-karazany ny andro maneran-tany ho an’ny dihy
avril 27
16:30 2022

Manomboka amin’ny 4 taona ny ankizy amin’ny ankapobeny no efa misehatra sahady amin’ny dihy. Tsy ho an’ny ankizy ihany anefa fa misy ho an’ny salan-taona rehetra izany arakaraka ny karazana dihy. Isaky ny 29 Aprily no hanamarihana manokana ny dihy, raha ho an’ny fikambanana Mpandihy Eto Gasikara na MEG, hiavaka ny fankalazana izany amin’ny alalan’ireo hetsika maro izay karakarain’izy ireo. Mandritra ny herinandro, nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma 29 Aprily araka izany ny hetsika hotanterahan’ity fikambanana ity. Fampisehoana ireo fitafy na haingo amam-bika mandritra fiakarana an-tsehatra, eo ihany koa ny fampirantiana sary mikasika ny tontolon’ny dihy, kilalao sy fanentanana maro samy hafa no entin’ny MEG hankalazaina izany andro maneran-tany izany amin’ity taona ity. Mamaim-poana avokoa ny fandraisana anjara sy fijerena ny hetsika rehetra. « Tanjona ny hanome lanja sy hampivelatra ny sehatry ny dihy eto Madagasikara mba tsy ho very ny kolontsaintsika malagasy. Singa iray ahafahana mampihena ny fironan’ny tanora mankany amin’ny zava-mahadomelina ihany koa ny dihy », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny fikambanana MEG, Saroy Rakotosolofo. Nambarany fa maro no tombotsoa entin’ny dihy, tahaka ny maha fanatanjahantena azy, misoroka ny rarin-tsaina, mitarika ny saina ho tia famoronona sy mampiray hina. Ho an’ny Mpandihy Eto Gasikara, efa misy mpikambana manodidina ny 1.000 mahery manerana an’i Madagasikara ary eto Analamanga avokoa ny 600 amin’ireo. Niforona tamin’ny taona 2018 ny fikambanana fa tamin’ny 05 Aprily 2019 kosa izy no tafatsangana ara-panjakana. Mampianatra dihy sy ny tarika ho lasa matihanina ny MEG ary ihany koa sehatra iray ahafahana mizara traikefa.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30