Madatopinfo

 Flash Info

FRANGLISH: Hanatanteraka fampisehoana goavana eto Madagasikara amin’ny 22 septambra

FRANGLISH: Hanatanteraka fampisehoana goavana eto Madagasikara amin’ny 22 septambra

FRANGLISH: Hanatanteraka fampisehoana goavana eto Madagasikara amin’ny 22 septambra
août 21
08:15 2024

Position, Solide, Trop parler, Bolingo, ireo no isan’ny hira nahafantarana an’i Franglish. Mpanakanto vahiny mivoy ny hira amin’ny fiteny frantsay sy anglisy miaraka ny tenany ary efa nampiara-peo tamina artista fanta-daza. Taorian’ny fitetezany firenena maro nanaovana fampisehoana, ho avy eto Madagasikara i Franglish ny alahady 22 septambra izao eny amin’ny Palais des sports Mahamasina. Raha ny nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Campus Telma Andraharo, hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny seho ary artista malagasy no hanokatra izany mandritra ny fizaram-potoana voalohany, aorian’io kosa i Franglish. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, efa azo jifaina ny tapakila ary hisy ny fihenam-bidy 30% ho an’ireo izay mampiasa ny « application » Moozik ka manisy « like » an’i Franglish miampy ny sangan’asany telo. Mamoaka « code promo » avy hatrany izany ka iny no entina mividy ny tapakila eny amin’ny Mass’In Music Ankorondrano na Mass’In Isoraka ahafahana misitraka ilay fihenam-bidy. Fanzone, Bronze, Silver ary Gold no hisy io fihenam-bidy io raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra hatrany ary manan-kery hatramin’ny faran’ity herinandro ity ihany izany.
Ho an’ny Telma Madagascar kosa, izay mpanohana ofisialy ity fampisehoana iarahanaamin’ny Franglish ity, dia nanambara izy ireo fa tafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina ity seho ity satria mampitambatra kolontsain’ny firenena samy hafa.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30