Madatopinfo

 Flash Info

GEMO KIDS: Nosokafana eny amin’ny Akoor Digue ny magazay voalohany eto Madagasikara

GEMO KIDS: Nosokafana eny amin’ny Akoor Digue ny magazay voalohany eto Madagasikara

GEMO KIDS: Nosokafana eny amin’ny Akoor Digue ny magazay voalohany eto Madagasikara
août 11
06:55 2023

Tongasoa eto amin’ny Akoor Digue ny Gémo!
Efa miparitaka manerana ny magazay 440 any Frantsa, Azia ary eto Afrika ny marika Gémo. Mitohy ny fanitarana ny fanaparitahana ity trano fivarotana ity eto Afrika, ho an’i Madagasikara manokana, nosafidian’ny Gémo hanokafana ny botikany voalohany ny etsy amin’ny Akoor Digue. Natokana ho an’ny zaza na ny Gémo Kids aloha no hita ao an-toerana fa afaka volana vitsivitsy dia hisokatra ihany koa ny Gémo Family, izany hoe ho an’ny ankohonana mihitsy na ny ray mman-dreny , ny zaza sy ny ankizy. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 10 Aogositra ity trano fivarotana ny Gémo Kids ity. « Natao ho an’ny zazalahy sy vavy vao teraka ka hatramin’ny 12 taona ny Gémo Kids, marika izay efa nisy nandritra ny 30 taona, novokarina orinasa frantsay », araka ny fanazavan’i Myriam Berri avy amin’ny Gémo France nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety tamin’ny fanokafana ny magazay.

Akanjo, kiraro, kilalao, kitapo, poketra, fehikibo sy kojakoja isan-karazany ho an’ny zaza sy ny ankizy dia hita ao amin’ny Gémo Kids Akoor Digue avokoa amin’ny vidiny manomboka amin’ny 16.500 ariary. Amin’ny maha marefo ny zaza, manaraka ny fenitra ara-pahasalamana, ara-kalitao, ara-tontolo iainana ny Gémo Kids. « Mifanojo amin’ny tanjon’ny Akoor Digue ny fahatongavan’ny marika frantsay Gémo, dia ny hanolotra fiantsenana tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany sy botika mifanaraka amin’ny kalitao ilain’ny fianakaviana malagasy amin’izao vaninandro izao », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Commercial Akoor Digue, Hari Randrianoavisoa. Ankoatra ny marika Gémo, hita ao amin’ny Gémo Kids ihany koa ny marika hafa toa ny Fila sy ny Puma. Misokatra isan’andro ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 7 ora hariva ny botika, ny alahady kosa amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 2 ora tolakandro.

Mickah R.

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30