Madatopinfo

 Flash Info

IMBIKY HERILAZA: Miandrandra fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy

IMBIKY HERILAZA: Miandrandra fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy

IMBIKY HERILAZA: Miandrandra fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy
juin 26
15:05 2024

Amin’ny maha fetin’ny Foloalindahy malagasy sy fanamarinana ny niverenan’ny fahaleovantena izay hankalazain’ny vahoaka malagasy isaky ny 26 Jona, olo-manan-kaja maro no nanome voninahitra ny lanonana teny Mahamasina. Isan’ny nanatrika izany ny Solombavambahoaka lany vonjy maika ao amin’ny Distrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo, Imbiky Herilaza. Manantena fihavanana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana amin’izao faha-64 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena izao ny tenany. <<Mba hanjakan’ny filaminana ity Nosintsika ity hisian’ny fampandrosoana ny firenena>>, hoy i Imbiky Herilaza nandritra ny tafa manokana niarahany tamin’ny mpanao gazetinay teny Mahamasina ny alarobia 26 Jona 2024. Nanamafy ihany koa izy fa mila fitoniana tanteraka ny fiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy izay havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. <<Hanaiky am-pahendrena izany vokatra izany isika. Ary manamafy indray ny fankasitrahana manokana ny vahoakan’i Sainte Marie izay nampandany ahy ho Solombavambahoakan’i Madagasikara>>, hoy hatrany i Imbiky Herilaza. Tsiahivina fa nahazo vato 5.872 izy tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI) ny 11 Jona lasa teo. Raha io vokatra io, nitarika tamin’ny salan’isa 67,50 tamin’ireo Biraom-pifidianana miisa 34 i Imbiky Herilaza, kandida natolotry ny Vondrona politika IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Isan’ny tafiditra anaty programan’asany moa ny fampandrosoana ny Fokontany sy ny zana-pokontany, ny fanatsarana ny seha-pamokarana, ny fampivoarana ara-barotra sy ara-toekarena.

Sary tahiry

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031