Madatopinfo

 Flash Info

LALIGA 2024-2025: Hotantaraina amin’ny fiteny malagasy ao amin’ny Startimes ny lalao

LALIGA 2024-2025: Hotantaraina amin’ny fiteny malagasy ao amin’ny Startimes ny lalao

LALIGA 2024-2025:  Hotantaraina amin’ny fiteny malagasy ao amin’ny Startimes ny lalao
août 17
08:15 2024

Ho fanomezana fahafaham-po hatrany ny mpanjifany, ny Startimes miaraka amin’ny Gasystar dia manolotra zava-baovao goavana indrindra ho an’ireo mpitia fanatanjahantena. Hahazo tombony manokana ireo mpankafy baolina kitra satria ho ampitaina amin’ny alàlan’ny Startimes ny lalao Laliga amin’ity taom-pikatrohana 2024-2025 ity. « Fa isan’ny zava-dehibe ny fitantarana amin’ny fiteny malagasy ireo lalao miavaka mandritra ny Laliga. Izany dia iarahana amin’ny mpitantara sy mpamakafaka fanta-daza sy matihanina eto Madagasikara, Daniel Andriamro sy Edouard Ratovoson », hoy ny fanazavan’i Nantenaina Randrianarivony, tompon’andraikitra iray ao amin’ny Startimes nandritra ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo teny Andranobevava. Hisitraka ireo lalao 380 an’ny Laliga araka izany ny mpanjifan’ny Startimes izay arahana ao amin’ny chaînes ST Premium sy ST Sports Life.

MickahR.

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30