MAKUA FESTIVAL MUSIC: Hivondrona ao Toamasina ireo mpanakanto fanta-daza manerana ny Nosy
« Haresaka i Toamasina », izay no azo hamehezana ny hetsika goavambe izay karakarain’ny Makua Entertainment sy ny Telma Madagascar antsoina hoe: « Makua festival music ». Nambara tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny talata lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo ny andinindin’izany. Araka ny fandaharam-potoana, hanombohana ny festival ny « carnaval » lehibe manerana ny tanàna ao Toamasina izay horavahana loko samy hafa, mozika sy dihy ny 31 Oktobra tontolo andro. Hitohy amin’ny hetsika ara-java-kanto kosa izany ny 1 ka hatramin’ny 3 Novambra manoloana ny Lapan’ny Tànana Toamasina izay iarahana amin’ireo artista malaza avy any an-toerana sy manerana ny Faritra eto Madagasikara. Isan’izany i Shyn, Denise, Oladad, Basta Lion, Joyce Mena, LJo, Madmax, Ceasar, Wada & Youngd sy ny maro hafa. « Antony iray nisafidianana ny faritanin’i Toamasina dia noho ny mpamorona ny Makua Entertainment avy any. Ankoatra izay, efa aman-taonany maro ihany koa no tsy nisy festival lehibe tao Toamasina ka amin’ity andiany voalohany ity no hampisehoana ny mampiavaka ny Faritra amin’ny alalan’ny hetsika ara-kolontsaina isan-karazany », hoy ny mpanakanto Shyn. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa manomboka ny fivarotana ny tapakila, ho an’ny vidiny mialohan’ny hetsika dia 10.000 ariary, jifaina amin’ny sarany 15.000 ariary kosa ny tapakila amin’ny andron’ny festival. Efa nanomboka tamin’ny 29 Septambra moa ny tapakila ao amin’ny tranokalan’ny Ofisialy.com. Ankoatra ny artista hanafana ny lanonana, hisy ihany koa tranoeva eny an-toerana.
M.R