Madatopinfo

 Flash Info

MOOZIK: Ahitana lohatenin-kira malagasy maherin’ny 40.000

MOOZIK: Ahitana lohatenin-kira malagasy maherin’ny 40.000

MOOZIK: Ahitana lohatenin-kira malagasy maherin’ny 40.000
juillet 03
06:45 2024

Raha ny « ticket place » no nahafantaran’ny olona ny orinasa Manoova hatramin’izay, dia efa misy ankehitriny ny « application » vaovao novokariny izay antsoina hoe: « Moozik ». Nampahafantarina ofisialy teny amin’ny Campus Telma Andraharo ity  » application  » vaovao be ity omaly, talata 2 Jolay. Sehatra izay ahafahana mihaino hira sy gadon-kira isan-karazany amin’ny alalan’ny finday. « Hira 40.000 mahery no hita ao amin’ny appli Moozik, hita ao avokoa ireo sangan’asa tamin’ny taona 70, 80, 90 ary ny taty aoriana. Tsotra ny fisitrahana izany satria manao téléchargement ao amin’ny App Store na Play Store dia manaraka ny torolalana tahaka ny application rehetra ihany », araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly eo anivon’ny orinasa Manoova. Ankoatra izay, isan’ny enti-manandratra ny hira sy ny mpanakanto malagasy ihany koa ny Moozik ary ireo mpanakanto be mpihaino indrindra dia hahazo valisoa avy amin’ny Manoova, raha ny fanampim-panazavany hatrany. Niara-namolavola ity tetikasa ity moa ny Telma Madagascar, misy araka izany ny tolotra azo isafidianan’ny mpanjifa te hisitraka azy. « Rehefa tafiditra anaty finday ny Appli Moozik, afaka manindry ny kaody #111*6# ny mpanjifa ary misafidy izay tolotra mety aminy: 500 ariary raha iray andro izay ahazoana 30Mo, amin’ny sarany 3.000 ariary kosa raha herinandro ary 10.000 ariary ny iray volana », hoy ny tompon’andraikitra Telma, Nari Ratsimba. Isan’ny tombony amin’ny fikirakirana ny app Moozik ihany koa ny bokotra fitadiavana hira na mpanakanto izay tiana hohenoina, sady ahafahana mametraka  » commentaires  » na « j’aime » na « partage » tahaka ny amin’ny tambazotran-tserasera. Mampiavaka ny Moozik ihany koa ny karaoké ao aminy izay misy ny tononkira ary afaka misafidy ny mpanjifa na feon-kira fotsiny na hira miaraka amin’ilay mpanakanto. Azo henoina amin’ny toerana rehetra maneran-tany araka izany ny Moozik izay application novolavolain’ny orina malagasy Manoova sy ny Telma Madagascar.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30