Madatopinfo

 Flash Info

PAN-AFRICAN ROBOTICS COMPETITION 2024: Nandrombaka ny laharana faharoa ny ekipa Malagasy

PAN-AFRICAN ROBOTICS COMPETITION 2024: Nandrombaka ny laharana faharoa ny ekipa Malagasy

PAN-AFRICAN ROBOTICS COMPETITION 2024: Nandrombaka ny laharana faharoa ny ekipa Malagasy
août 09
07:41 2024

Isan’ny vinan’ny orinasa Telma Madagascar ny manampy sy manosika ny tanora malagasy indrindra eo amin’ny tontolon’ny nomerika. Manoloana izany, nanohana ireo tanora malagasy tafakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’ny fifaninanana « Pan-African Robotics Competition 2024 » izay notanterahana tany Dakara Sénégal izy. Miisa 5 mirahalahy moa no nandrafitra ity ekipa ity izay antsoina hoe : « Robotiako ». Efa tafaverina an-tanindrazana izy ireo rehefa avy niatrika ny PARC ny 22 ka hatramin’ny 29 Jolay lasa teo raha ny 20 Jolay kosa no niainga teto Madagasikara.  » Nialohan’ny fifaninanana, niomana amam-bolana maromaro izahay ary nosafidianay manokana ny robot misehatra amin’ny fambolena mandeha an-tanimboly ho fampiroboroboana ara-tsakafo eto amintsika », araka ny fanazavan’i Faly, mpitondra tenin’ny ekipa Robotiako nandritra ny tafa notanterahana tamin’ny mpanao gazety ny alakamisy lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Nahazo ny medaly volafotsy ny Robotiako, laharana faharoa na tompon-daka lefitra tamin’io PARC 2024 tany Sénégal io taorian’ny Smaraf Eduk ekipan’ny RDC. Nanampy betsaka ny ekipa tamin’ny nahazoana hiatrika io dingana io ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ankoatra ny fitondram-panjakana, teo ihany koa ny Telma Madagascar sy ireo mpila ravinahitra ao Sénégal, hoy hatrany ny fanampim-panazavan’i Faly. « Tsy vao voalohany izao ny Telma no manosika ny tanora malagasy fa efa tafiditra anatin’ny tanjona izany amin’ny sehatra rehetra mba hitondra avo ny voninahi-pirenena ary ihany koa hampiroborobo ny talentan’ny tanora », hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma.

M.R

Articles similaires

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30