Madatopinfo

 Flash Info

SALON DE LA GASTRONOMIE 2024: Hampiseho ny nahandro mampiavaka azy ireo mpandray anjara miisa 30

SALON DE LA GASTRONOMIE 2024: Hampiseho ny nahandro mampiavaka azy ireo mpandray anjara miisa 30

SALON DE LA GASTRONOMIE 2024: Hampiseho ny nahandro mampiavaka azy ireo mpandray anjara miisa 30
septembre 23
07:21 2024

Isan’ny mahasarika vahiny eto Madagasikara ny fananany karazana nahandro mampiavaka ny isam-paritra amin’ny alalan’ny fampiasana sakafo toy ny legioma, ny hena, ny hazandrano, ny voankazo sy ny maro hafa. Ho entina hampiroboroboana izany indrindra, dia mikarakara hetsika lehibe « Salon de la gastronomie » andiany fahafolo ny Alliance Française miaraka amin’ny Telma Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka. Hotontosaina ny 26, 27 ary 28 Septambra hoavy izao izany eny amin’ny AFT Andavamamba. Araka ny fandaharam-potoana, ny tolakandron’ny 26 Septambra hanomboka amin’ny 2 ora ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika izay atrehin’ireo vahiny maro tahaka ny Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagadikara. Ny Andro faharoa kosa no hanatanterahana ny valan-dresaka arahina lohahevitra mifandraika amin’ny frankofonia sy sakafo, raha dinika an-databatra boribory kosa ny 27 Septambra. Samy ao amin’ny AFT Andavamamba avokoa moa no hitranga ireo rehetra ireo raha ny fanampim-panazavana voaray.  » Tsy vao voalohany izao ny Telma no manohana ny hetsika toa izao, ary isan’ny vina rahateo ihany koa ny hampiakatra lenta ny tanora malagasy ka tafiditra amin’izany ireo manan-taleta amin’ny tontolon’ny nahandro », hoy i Elie Malala Raharimanjato, avy amin’ny Telma Madagagascar.
Nohamafisin’ny mpikarakara moa fa 1.000 ariary no vidim-pidirana amin’ny « Salon de la gastronomie » ary maherin’ny 4.000 ny mpitsidika andrasana amin’izany.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031