Madatopinfo

 Flash Info

SEHATRA AN’NY ASA ETO MADAGASIKARA: « Mila hatsaraina ny kalitaon’ny orinasa sy ny arak’olona », hoy ny FMFP

SEHATRA AN’NY ASA ETO MADAGASIKARA: « Mila hatsaraina ny kalitaon’ny orinasa sy ny arak’olona », hoy ny FMFP

SEHATRA AN’NY ASA ETO MADAGASIKARA: « Mila hatsaraina ny kalitaon’ny orinasa sy ny arak’olona », hoy ny FMFP
novembre 25
10:22 2024

Mila hatsaraina ny sehatrin’ny asa eto Madagasikara na ny orinasa izany na ny mpiasa sy ny mpampiasa araka ny nambaran’ny FMFP. Ilaina fifanohanana eo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny tsirairay izany. Anjara biriky ho entin’ny tahiry famatsim-bola malagasy ho fampihofanana ny mpiasa ny ampitombo ireo mpianatra, mpiasa, mpampiasa ary mpampiofana isitraka ny fihofanana ataon’izy ireo. Mbola maro ny tokony harenina eo amin’ny sehatrin’ny asa eto Madagasikara amin’izao fotoana hoy ny eo anivon’ny tahiry famatsim-bola malagasy ho fampihofanana ny mpiasa na ny FMFP. Misy amin’ireo mpiasa no tsy ampy traikefa na manana mari-pahaizana ambony ary. Ny mpitantana orinasa ihany koa tsy manana izay fahaizana izay ny sasany ka antony mampikoroso fahana ny orinasa.Mamaly izany indrindra ny tolotra omen’ny avy ao amin’ny FMFP na ny Le Fond Malagasy de Formation Professionnelle hoy ny taleny Pierre Raoelina ANDRIAMBOLOLONA tamin’ny tafa nataony tamin’ny mpanao Gazety.
Ankilany, ireo olana ireo no anto-pisin’ny FMFP, izay feno dimy taona tamin’ity taona ity. Mpiasa sy mpampiasa ary mpampihofana maherin’ny Iray hetsy ny nahazo fihofanana tao amin’izy ireo tao anatin’ny fotoana nijoroany. Nanampy fihofanana arak’asa mitentina 56 miliara ariary ihay koa izy ireo raha ny tatitra nataony androany. Tanjona ho an’ny dimy taona manaraka ny hanovana ny toe-tsain’ny orinasa. Eo ihany koa ny ampanaraka azy ireo ny teknolojia misy, ary indrindra ny fanatsarana ny fitantanana ahafahana mahazo vokatra tsara amin’ny alalan’ny fampihofanana. Nisy ny fifanaova-tsonia teo amin’ny FMFP sy ny ministeran’ny fampianarana ara-teknika sy ny fampihofanana arak’asa androany. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny sehatrin’ny asa eto Madagasikara sy ny fampanana’asa raha ny fanazavana netin’I Ramatoa Minisitra ary namafisiny ihany koa fa ho fanatanterahana ny filamatra no anton’izao di any hoe “Ny olona mahay raha tsy very mandeha” Androany no nankalaza ny faha dimy taona nijorony ny FMFP ka nisy ny fiarahana tamin’ny mpiara-miombonantoka sy ireo sehatra miara-miasa amin’iza ireo,anisan’izany ny AFD (Agence Française de Developpement ) sy ny UE (Union Européenne) izay nilaza fa hafa_po tamin’ny asa vitan’ny FMFM nandritra izay dimy taona izay. Tatitra ny asa vita sy famelabelarana ny vina ho tratrarina mandritra ny dimy taona manaraka no nataony nandritra izany ary ihany koa ny fanomezana marim-pankasitrahana ireo orin’asa mandroka izany.
Noelah

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

novembre 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930