Madatopinfo

 Flash Info

SOAVA ANDRIAMAROTAFIKA: Nitondra fanazavana momba ny tsaho nihely mikasika ny datim-pifidianana

SOAVA ANDRIAMAROTAFIKA: Nitondra fanazavana momba ny tsaho nihely mikasika ny datim-pifidianana

SOAVA ANDRIAMAROTAFIKA: Nitondra fanazavana momba ny tsaho nihely mikasika ny datim-pifidianana
septembre 13
15:22 2024

Manoloana ny vaovao nihely momba ny fivahinianan’ny Mpampakatenin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Soava Andriamarotafika tao amn’ny Radio France Internationale na RFI, nitondra fanazavana mikasika izany ny tenany androany. <<Diso ny filazana fa ny datim-pifidianana 11 desambra no eritreretin’ny CENI ahemotra>>, hoy ny Mpampakatenin’ny CENI. Raha ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI, hoy hatrany izy, dia ny hoe: Manoloana ny fahavitsian’ny mpandrotsaka ny atontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’izao fotoana izao, azo eritreretina ve ny mety hanalavana ny fe-potoana fametrahana izany? Raha ny nambaran’i Soava Andriamarotafika, namaly ny tenany fa azo eritreretina izany raha takian’ny zava-misy. <<Tsy nisy resaka fanemorana ny vanin’androm-pifidianana mihitsy tamin’izany. Tokony hitandrina ny rehetra amin’ny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka ary mampitandrina ireo minia manely vaovao tsy marina ihany koa fa misy ny lalàna velona ahafahana manenjika ireny olona ireny>>, araka ny fanampim-panazavana hatrany.
Tsiahivina moa fa nanomboka ny 5 Septambra ary hifarana ny 19 Septambra amin’ny 5 ora hariva ny fametrahana ny atontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana kaominaly sy mpanolontsaina izay hotanterahana ny 11 Desambra 2024.

RSM

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

septembre 2024
L M M J V S D
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30