STARTUP WEEKEND EDUCATION : Nexta Andranomena no nampiantrano ny andiany faharoa
Ho fanohanana ireo tanora malagasy vao misandratra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, nikarakara hetsika izay antsoina hoe : « Startup weekend education » ny SWAT (Startup Weekend Antananarivo Team) izay tohanan’ny Institut International des Sciences Sociales na IISS. Raha tamin’ny taona 2020 ny andiany voalohany tamin’ny « Startup weekend education », notanterahana nandritra ny telo andro teny amin’ny Nexta Andranomena kosa ny andiany faharoa, ny zoma 20 ka hatramin’ny alahady 22 janoary lasa teo. Niompana tamin’ny fanabeazana sy ny fampianarana ny lohahevitra tamin’ity taona ity. Tombony lehibe ho an’ny mpandray anjara ity hetsika ity noho izy ireo ireo afaka mifandray amin’ny mpamorona hafa sy ireo mazoto hanorina zava-baovao ary indrindra ireo mpampiasa vola. Ny andron’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma hariva, samy nanolotra ireo olana hitany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny vahaolana arosony ao anatin’ny 60 segodra avy ny mpandray anjara. « Hahazo fampiofanana mandritra ny 54 ora izy ireo hianatra izay tena ilaina amin’ny fanavaozana sy fananganana orinasa. Ankoatra izay, hanolotra fampianarana lalina mahakasika ireo traikefa ny Startup weekend education izay tarihin’ireo efa matihanina amin’ny sehatra », hoy ny tompon’andraikitry ny SWAT.
Ny tetikasa Train’in no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny andiany faharoa ity izay nampahafantarina ny alahady tolakandro lasa teo, Empowher kosa no faharoa ary ny Kariera.mg no laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana Startup weekend education 2023. I Keaven Rantoanina, Carole Rakotondrainibe, Kolo Randriamanana ary Herimalala Ratsimbazafy kosa no nisahana ny fitsarana na « jury ».
M.R