Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA «FROM A TO A»: Mpaka sary malagasy 6 mianadahy no handray anjara any Arles

TETIKASA «FROM A TO A»: Mpaka sary malagasy 6 mianadahy no handray anjara any Arles

TETIKASA «FROM A TO A»: Mpaka sary malagasy 6 mianadahy no handray anjara any Arles
juin 27
08:05 2023

Isan’ny sehatra iray hahafantaran’izao tontolo izao bebe kokoa ny Nosy Madagasikara ny fanehoana an-tsary ny zava-misy eto an-toerana. Hoentina hampiroboroboana izany indrindra, misy ny fampirantiana sary izay hotanterahana any Arles mandritra ny iray volana, hanomboka ny 19 Jolay ka hatramin’ny 19 Aogositra ho avy izao. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: « From Antananarivo » ity hetsika izay hotontosaina any ivelany ity izay hiarahana amin’ny mpaka sary 6 mianadahy araka ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 23 Jona lasa teo teny Ambatonakanga. I Miora Rajaonary, izay teraka tamin’ny taona 1984 ary nanomboka nisehatra tamin’ny tontolon’ny sary ny taona 2013 tany Afrika atsimo ary atsy amin’ny Nosy Maurice izy no mipetraka amin’izao tontolo izao. Handray anjara mandritra io hetsika any Arles io ihany koa i Rijasolo izay efa fanta-daza eo amin’ny fakan-tsary, nampianatena izy tao anatin’izany sehatra izany ary efa nanaraka fiofanana momba ny sary an-gazety tany Paris tamin’ny taona 2006. Raha i Iako Randrianarivelo indray kosa, nanomboka tamin’ny 2018 izy no niara-niasa tamina fikambanana sy orinasan-gazety iraisampirenena. Isan’ny hanatanteraka fampirantiana ao Arles ihany koa i Christian Sanna avy any Nosy Be. Efa nandray anjara tamin’ny hetsika fampirantiana sary teto Madagasikara sy tany ivelany ny tenany. Tsy zoviana amin’ny maro i Viviane Rakotoarivony, vehivavy manan-talenta amin’ny fakana sary izy, efa nanatontosa andiana sary tamin’ireny vanim-potoanan’ny Covid-19 ireny ary nampiranty ny sary voafantina tao amin’ny Hakanto Contemporary tamin’ny taona 2021. Hampiranty ny sangan’asany any Arles ihany koa i Henintsoa Rafalia, Hetsika maro no efa nandraisany anjara toy ny fampirantiana mikasika ny «Sambatra» ao amin’ny Foko Antambahoaka. Ny Fonds Yavarhoussen no miantoka ny fivahinianan’izy 6 mianadahy ireo miainga eto Antananarivo ka hatrany Arles. «Hampahafantatra ny andavanandron’ny malagasy sy ny sombim-piainany amin’ny alalan’ny sary izy ireo amin’ity hetsika Ftom A to A ity», hoy ny solontenan’ny Fonds Yavarhoussen eto Madagasikara, Vatosoa Razafimandimby. Tsiahivina fa ny Fonds Yavarhoussen izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Groupe Filatex eto Madagasikara, Hasnaine Yavarrhoussen dia isan’ireo manome sehatra sy mampiroborobo ny kolontsaina sy ny zava-kanto efa aman-taonany maro izay.

Mickah R.

Articles similaires

novembre 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930